Apokalypsy 1:17-20

1 – Maty ny olona rehetra eo anatrehan’ny Tompo

Manamafy ny maha olona ny olona sy ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra ny zava-misy eto satria voalaza fa rehefa nahita ny Tompo Andriamanitra i Jaona dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ny tongony. Manamafy ny voalazan’ny Eks. 33:20 indrindra izany manao hoe : « tsy mahazo mahita ny tavako ianao fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona ». Izany toe-javatra izany no mihatra amin’ny olona rehetra tahaka an’i Jaona eto. Ny tiana holazaina izany dia tsinontsinona ny olona eo anatrehan’Andriamanitra, tsy misy olona afaka mahita Azy mihitsy. Nomeny anefa i Jesoa Kristy, Izy izay naka endrik’olona honina ety an-tany, hahafantatra ny zava-manjo ny olona ka hamonjy ny olona. Noho izany na dia maty aza ny olona amin’ny maha olona azy dia afaka mahita Azy ao amin’i Jesoa Kristy.

2 – Manana fahefana hamelona azy koa ny Tompo

Ankilan’ny fahafatesana manjo ny olona anefa dia efa nambaran’ny Tompo ny fahavelomana omeny izay rehetra mino Azy. Hoy i Jaona : « Fa Izy nanendry ahy tamin’ny tànana ankavanana ka nanao hoe aza matahotra ». Izany fanehoan-javatra izany kosa dia milaza ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty avy hatrany ary ny Tompo Andriamanitra no antony mampisy izany satria hita eto hoe : « efa maty Izy nefa velona indray » izany hoe mahafantatra sy maharesy ny fahafatesana. Omeny ny olona izay momba sy mino Azy tahaka an’i Jaona izany zavatra izany.

Fanontaniana :

Mino an’Andriamanitra mandresy ny fahafatesana ve ianao ?