JOBA 19.25-29

« Raha izaho dia fantatro fa velona ny mpanavotra ahy » .Olona niavaka tokoa i Joba satria sady olon-kendry izy no nanankarena ary ambonin’izany ,feno fatahorana tanteraka an’Andriamanitra tokoa izy .Nesorina taminy anefa izay heverina fa tombotsoa rehetra nananany ary niharan’ny fijaliana sy fahoriana tsy roa aman-tany tokoa izy teo amin’ny vatana , saina ary fanahy .Manoloana izany dia andrasan’ny olona manodidina azy izy hoe: mbola hifikitra amin’ Andriamanitra hatrany ve?

Ankoatra izany anefa , mihevitra ny manodidina azy , eny hatramin’ny vadiny aza, fa tena mpanota izy ary tena fihatsarambelatsihy fotsiny ny fivavahana nataony hatramin’izany .Mafy orina anefa ny finoan’i Joba ka na inona na inona zava-tsarotra sy mafy sedrainy dia izao no teniny : « raha izaho dia fantatro fa velona ny mpanavotra ahy » .Araka izany , resy lahatra sy manaiky tanteraka izy ary mino izy fa velona ny mpanavotra azy .

Fanontaniana :

Mino an’Andriamanitra velona sy mpanavotra ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM