DEOTERONOMIA 32.36-43
« ...hamaly ny mpandrafy Azy Izy , ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony » (and 43)
Famaliana tsy miangatra no ataon’ny Tompo
1-Manafay izay mpivadika
Fihirana nataon’i Mosesy ity perikopa ity .Taorian’ny anatra farany nataony no nanolorany azy ity ho an’ny Zanak’Israely. Ireo no lazainy hoe : mpandrafy Azy dia ireo ambarany eo amin’ny and 5 , fa taranaka miolakolaka sy mivadika Aminy . Dia mahatsiaro ny Tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany isika manao hoe : « Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy » (Lio 11.23) . Amin’ny fotoana hialantsika amin’Andriamanitra no hirotsahantsika an-tsehatra ho amin’ny fanoherana Azy . Dia ho tonga ny famaliana ataony . Hoy i Paoly : « Aza mety hofitahina ianareo . Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6.7)
2-Manavotra izay mino
Avotan’Andriamanitra amin’ny loza sy fahasahiranana samihafa isika raha mifikitra Aminy satria tsy ataony maty antoka izay manompo Azy marina tokoa. Ny atao hoe : olon’Andriamanitra dia izay mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana ary miezaka hanatanteraka ny Teniny « ...ny olonao marina dia ho velon’ny finoana » Heb 10.38 ) . Mahagaga loatra ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy isika ihany no omeny fahasoavana fa ny tamintsika ihany koa ary ambininy amin’izay atao isika.
Fanontaniana :
Efa tonga ohatra tsara amin’izay misy anao ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM