1 SAMOELA 2.27-36
Ny Tompo mamaly ny natao
1-Tandremo ny asa fanompoanao (and28)
Nofidin’Andriamanitra ho amin’ny zara -fanompoana masina Ely sy ny zanany , ary tamin’izany dia nomen’Andriamanitra azy izay rehetra nilainy (vakio and28).Tadidio fa na iza na iza isika voaantso ho amin’ny fanompoana dia tokony hahatsiaro fa tena voaantso kosa dia hiezaka handini-tena amin’ny fahatokisan’Andriamanitra antsika .Izay nahazo andraikitra dia tokony hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra mihoatra ny asa hahazoantsika karama, satria novonjena maimaimpoana isika fa tsy sanatria hoe : miasa mba ho voavonjy (vakio 1 Kor 4.1).Tsy azo ary tsy voavidim-bola ny famonjena fa maimaimpoana .
2-Hajao ny asa fanompoanao (and29)
Hitan’Andriamanitra izay ataontsika ary saro-piaro amin’ny Voninahiny Izy .Izany no nitenenany mafy tamin’i Ely teto .Nataony ambony noho ny fanompoany ny fahafinaretany .Saro-piaro amin’ny Voninahiny ny Tompo .Tsy voataizan’i Ely ny zanany ka nanaonao foana .Isika ihany koa na iza na iza manana zara fanompoana , indrindra isika mpianakavy anatin’ny ankohonana dia mila mifandinika mandrakariva sao sanatria misy iray manimba sy miteny ratsy ny asan’nyTompo .Tombom-pahasoavana lehibe ho an’ny ankohonana mantsy ny fisian’ny mpanompon’Andriamanitra ao an-tokantrano .« Aza mety hofitahina ianareo .Andriamanitra tsy azo vazivazina , fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6.7)
Fanontaniana :
Manao ahoana ny toetry ny fanomponao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM