JEREMIA 13.12-17

Mamaly ny faharatsiana ny Tompo

Olona tsy nanaja ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra no niantefan’ity faminaniana nataon’i Jeremia ity . Antso ho antsika ihany koa sao ho tonga miavonavona isika ka tsy hahay hibebaka.

1-Tandremo ny fo feno avonavona

Nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany ny tsy mety ataon’ny olona , kanefa izany dia nahatonga toe-javatra nanamafy ny fon’izy ireo .Tsy nosaininy akory fa lasa lavitra an’Andriamanitra izy noho ny fahotany .Tsy hafa amin’izany isika ankehitriny (Isa 59.2).Antsoin’Andriamanitra mba hiala amin’ny faharatsiana ary tena hiaiky heloka eo anatrehany , fa fototry ny fiainam-baovao izany .

2-Fotoana fanararaotra izao

Dieny tsy mbola tonga ny aizina , hoy i Jeremia eto . Ny ambara hoe: « haizina « dia tsy inona fa ilay fanasaziana , ilay fotoana hialan’ny fiarovan’Andriamanitra ka hanjakan’ny fahoriana atobaky ny fahavalo .Izany indrindra no tsy maintsy hanararaotana raha mbola tsy tonga izany .Io no andron’ny aizina , ilay feno tomany sy horohoro noho ny fanenenana, noho ny ratsy vita . »Dia hoy i Jesoa taminy : Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo .Mandehana , raha mbola manana ny mazava ianareo , mba tsy hahatratra anareo ny maizina , fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany  » (Jao 12.35)

Fanontaniana:

Ary ianao mba ahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM