2 SAMOELA 12.7-17

Ny famaizan’i Jehovah

1-Dia mahakasika ny ankohonana (and10a,11)

« Koa noho izany dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, ary esoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao... » . Nangalatra vadin’olona sady namono ilay vadin’olona i Davida tamin’ny alalan’ny fandefasana azy tany amin’ny ady mafy. Nokapohan’i Jehovah tamin’ny zava-maharary ny olona izy dia ny ankohonany. Ary saika matetika dia any Andriamanitra no mikapoka rehefa misy hadalana ataon’ny olona ary any koa izy no mamaly soa raha misy fankasitrahany . Ny an’i Davida dia nanjary tafiditra tao amin’ny fiankohonany ny sabatra , satria izy namono olona tamin’ny sabatra .Nangalarin’ny olona ihany koa ny vadiny izay fahoriana tokoa amin’ny olona .Mety ho toy izany koa no manjo antsika rehefa manao ny nataon’i Davida isika.

2-Tsy maintsy hihatra ihany na dia efa nibebaka aza (and18a)

« Ary nony nandray hafitoana dia maty ny zaza » . Nitoe-jaza ilay vehivavy nangalarina izay zanak’izy roa ireo , nibebaka tamin’ny fahotany i Davida rehefa nanarin’i Natana mpaminany . Voavela ny helony , saingy narary ilay zaza noho ny kapok’Andriamanitra .Nivavaka ho an’ilay zaza izy mba ho velona ny zaza , kanefa maty ihany . Rehefa mifona amin’ny Tompo isika dia voavela , saingy misy ihany kosa ihany endrika kapoka izay mety hiseho . Koa tandremo manararaotra ny famelankeloka hanaovan-dratsy .

Fanontaniana :

Mety efa niseho teo amin’ny fiainantsika ve ny hadisoan-kevitra hoe : manota avy eo mibebaka fotsiny dia izay ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.