Lioka 21. 20 – 24

1- Dia ny mahavoa ny olona rehetra (and 23)
« Fa lozan’ny bevohoka sy mitaiza kely amin’izany andro izany satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezarana amin’ity firenena ity ». Tsy ny lehilahy irery intsony no hijaly fa hatramin’ny zaza amim-behivavy izay sokajin’olona marefo indrindra aza, satria efa mamay be ny kapok’Andriamanira , tsy asiaina indrafo. Tsy nety nandray an’i Jesoa mantsy ireo sady tomponandraikitra tamin’ny fahafatesany . Koa ialao ary ny ratsy fanaontsika satria ny fifikirana amin’ny ratsy dia maha tomponandraikitra amin’ny fanombohana an’i Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana.


2- Mahakasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fivavahana (and 24)
« Ary Jerosalema ho hitsahin’ny Jentilisa mandrapaha- tanteraka ny andron’ny Jentilisa ».
Izany hoe omen’Andriamanitra fahefana mihitsy ny Jentilisa hanimba ny maha- izy azy ny vahoaka nofidiany. Anisan’ny zavatra tsy zakan’ny Jiosy indrindra ny fisian’ny olona hafa ivelan’ny Jiosy tafiditra ao amin’ny Tempoly, indrindra ao amin’ny efitra masina indrindra izany. Simba ny fiandrianam-pireneny sy ny fivavahany izay zava-dehibe indrindra amin’izy ireo. Izany koa ny mety hanjo antsika sy ny firenentsika raha mbola manao toa azy ireo koa isika.

Andao hibebaka ry Malagasy !


Fanontaniana
Tsy efa tsapantsika ve efa miha- very ny fiandrianampirenentsika ankehitriny , inona àry izany no tokony hataon’ny Malagasy ?

Sampana Sekoly EKOLY Alahady FOIBE FJKM