Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, ny Vondron’olona Mpiara-mivavaka ary Sampana sy Sampanasa ary Asa eto amin’ny SP VFA 37

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo

Araka ny tetiandrontsika SP VFA 37 dia amin’ny Asabotsy 05 Martsa 2022 ho avy izao no hanatanterahantsika ny Hetsiky ny SP VFA 37

Ho tohin’ny fivoriana fanomanana niarahan’ny Biraon’ny Fiangonana sy ny VOMM ary ny Sampana SP37 dia indro ampitaina aminareo manaraka sy mipaingotra izao ny tsara ho fantatra sy ny fitsinjaran’asa voaray avy amin’ny mpandraharaha ara-bolan’ny SP37 anatontosana izany Hetsika izany :

  • Toy ny efa fanaon’ny SP VFA 37 dia samy manana andraikitra avokoa ny Fitandremana sy ny Sampana SP37
  • Ny anjara tapakila amidin’ny isam-pitandremana sy ny VOMM dia heverina ho lafo avokoa fa tsy hisy hiverina. Noho izany dia anjarantsika Fitandremana sy ny VOMM no manome feno ny vidin’ireo tapakila ireo amin’ny Asabotsy 05 Martsa 2022 io raha tara indrindra, toy ny efa fanao.
  • Ny vidin’ny tapakila dia :

25 euros ho an’ny olon-dehibe

10 euros ho an’ny ankizy mandray seza sy sakafo latsaky ny 12 taona

10 euros ho an’ireo mpikambana STK SP37 miisa 25 izay mandray anjara amin’ny Animation (efa misy lisitra any amin’ny Biraon’ny STK SP37)

  • Ny Fitsinjarana ny amin’ny fikarakarana sakafo moa dia efa nentina tamintsika tamin’ny fivoriana tamin’ny Zoma 04 Febroary 2022.
  • Raha misy fanontaniana sy fanampim-panazavana ilainareo dia azonareo atao ny miantso ny mpandraharaha ara-bolan’ny SP VFA: Tatamo Ratsifandrihamanana tél. 06 46 80 35 40 na Hugues Rakotondrazanany tél. 06 84 30 12 51

. Efa azo jifaina ny tapakila 25€ ny lehibe 10€ ny ankizy <12ans (manatona ny mpitahiry volany fiangonana)

 

Mampahery antsika amin’ny fifanomezan-tanana rehetra, ny fitrotroana am-bavaka, ny fifanentanana, ary mankasitraka sahady amin’izany firaisam-po amam-panahy izany : « Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » I Kor.15 :58b.

 

Manao veloma anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika

Ny biraon’ny SP VFA 37

Ny Filoha : Ny Mpitandrina Raholiarison Yves