2 KORINTIANA 1.12-20
Ny mpanompon’Andriamanitra
1-Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Nisy kristiana vitsivitsy nanohitra an’i Paoly Apostoly tao Korinto izay niteny ratsy azy . Nampahatsiahivin’i Paoly Apostoly azy ireo fa mendrika ny fitondrantenany teo anatrehan’ireo (and12). Taty aoriana vao mainka nanampy trotraka izany ny fiovana teo amin’ny fandaharam-potoanany , nikasa ho any Korinto izy , kanefa tsy tanteraka.Nanome tsiny azy ny olona nilaza fa » anio » , eny ampitso » tsia « , mpivadibadika , hoy ny olona .Nampahafantariny fa ny fikasana izay nataony dia tsy araka ny maha-olona azy .Fikasana araka an’Andriamanitra , ka izay fandaminan’Andriamanitra no ekeny . Ny fanekeny ny fitarihan’ny Fanahy Masina no nampiova ny fandaharany .
2-Milaza fa marina ny Tenin’Andriamanitra

Nohamafisiny hatrany fa tsy manova ny hafatry ny Filazantsara nambarany ny fiovan’ny fandaharam-potoanany .Ny fikasany no mety miova fa ny Filazantsara notoriany niaraka tamin’i Silasy dia marina mandrakariva.Mahatoky Andriamanitra ka tsy mivadika amin’ny « eny » efa nambarany .Notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny « eny » ho famonjena ny olona , ny ‘eny » ho fandraisana ny olona ho amin’ny fiainana .Taominy mba hatoky an’Andriamanitra mandrakariva ny olona .Mitana ny Teniny ny Tompo . Koa matokia fa na dia miova aza ny fandaharam-potoanan’ny mpitory ny Filazantsara ,I Jesoa Kristy kosa dia tsy miova .
Fanontaniana:
Nahoana no misy kristiana manohitra ny mpitory ny Filazantsara eo aminy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM