EZEKIELA 12 21-28

Tsy maintsy hotanterahiny ny Tenin’Andriamanitra

1-Manana ny fotoana voatendriny Izy

Mazava tsara ny antso nampitondrain’Andriamanitra ny mpaminany ho an’ny olona mandà ny fahitana : tsy tokony hatao fiteny ao amin’Israely intsony ny hoe : « tsinotsinona ny fahitana rehetra…mbola ela izany fahitana izany … »(and 22,27). Manana fotoana voatendriny hantanterahana ny Teniny Andriamanitra .Voalaza mazava tsara eto ny hoe : « Efa akaiky izany fotoana izany  » (and23) . Manana ny fotoanany amin’ny fanatanterahana ny teniny eo amin’ny fiainanao ny Tompo . Minoa , matokia izay nambarany.

2-Marina sy mahatoky Izy

Ambaran’ny mpaminany fa marina sy mahatoky Andriamanitra ka tsy miova amin’ny teny nambarany (and25).Tsy maintsy ho tanteraka ny teniny , hiharihary eo imason’ny olona rehetra izany . Tsy araka ny fihevitry ny olona (and27) ny fihevitr’Andriamanitra , tsy miandry ela ny fanatanterahany izany (and28).Mitaona antsika mpino kristiana hatrany fa marina ny Andriamanitra ivavahantsika. Marina Izy ka tsy miova amin’ny Teniny . Matokia fa hotanterahany aminao izany teny fampanantenana efa nambarany izany .Mazotoa mihaino sy mandray ny Tenin’Andriaanitra.

Fanontaniana :

Zarao amin’ny hafa ny fahatsapanao fa no tanterahan’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ny Teniny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM