JAONA 10.1-10

Ny fiainana ho an’ny olon’Andriamanitra

Notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanomezana fiainana miavaka ho an’ny olony .

1-Fiainam-piadanana

Ny tontolon’ny fiandrasana ondry no nampiasain’i Jesoa Kristy nitondra fampianarana ho an’ny mpino Azy.Tsy mitovy ny fihetsiky ny tena mpiandry ondry marina sy ny mpangalatra . Ny vavahady hidirany , ny fifandraisany amin’ny ondry .Misy fiatraikany eo amin’ny fiainan’ny ondry izany .Manana fiadanana ny ondry manoloana ny tena mpiandry azy . Mihaino ny feony , manaraka azy amin’ny làlna (and3-4).Tsy manana fiadanana ny ondry raha mpangalatra no miditra ao amin’ny sehatra misy azy .Tsarovy fa i Jesoa Kristy dia tonga mba hanome fiainam-piadanana ho antsika .Koa mahaiza mihaino ny feony .

2-Fiainana azo antoka

Hamafisin’i Jesoa Kristy hatrany fa fiainana azo antoka no entiny ho an’ny olona .Hoy Izy : »Izaho vavahadin’ondry ». Azon’ny ondry ivoahana sy hidirana ,nananan’ny ondry fahafahana feno, nefa koa i Jesoa , miaro amin’ny loza raha sanatria ka misy fahavalo mikasa hiditra hanimba ny fiainan’ny ondry .Izy no manakana ny fahavalon’ny ondry.Fiainana azo antoka araka izany no voaomany ho an’ny ondriny, ho an’ny olona manaiky hihaino ny feony sy hanara-dia Azy .Mitana ny teny nataony hatrany Andriamanitra . Nomeny antsika i Jesoa Kristy mba hananantsika fiainana .Matokia Azy !

Fanontaniana :

Lazao ireo tombotsoa azon’izay manaiky ny fandraisan’i Jesoa Kristy an-tàanana ny fiainany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM