JEREMIA 29.10-15

Andriamanitra mihevitra ny fiainan’ny olona

1-Manana ny fandaminany (and10,11)

Mazava tsara ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny Jiosy : voafetra ny fe-potoana hitoerana any amin’ny tany fahababoana . Na dia tany fahababoana aza ny olona dia milaza ny fandaminana hotanterahiny Izy Andriamanitra : hamangy , hijery akaiky ny fiainan’ny olona ka hampody azy ireo indray any amin’ny taniny .Ekeo izay fandaminana asehony eo amin’ny fiainanao.

2-Manorina fifandraisana vaovao (and12,13)

Babo tany Babylona ny Jiosy .Mijery azy ireo Andriamanitra ka mampanantena fa vonona ny handray an-tànana mandrakariva ny olona. Rehefa miantso Azy ny olona , mivavaka , mitady Azy amin’ny fo mibebaka dia mihaino Andriamanitra maneho ny fisiany amin’ny olona Izy . Mivavaha amin’Andriamanitra mandrakariva fa vonona hihaino anao Izy , manome izay mahasoa anao .

3-Manafaka (and14,15)

Mihevitra mandrakariva ny fiainan’ny olona Andriamanitra .Mitana ny Teniny Izy fa ny tany Kanana no lovan’ny taranak’i Abrahama. Koa na dia nentina ho babo tany Babylona aza ny Jiosy dia miasa , mandray an-tànana ny fiainan’ny olona Izy ka hampody ireto Jiosy indray any amin’ny tany fampanantenana.Tsy sitrak’Andriamanitra ny iainanao amin’ny fahoriana sy ny fanandevozan’ny ota .Notanterahiny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanavotana anao . Aoreno ao Aminy ny finoana .

Fanontaniana :

Lazao ireo asan’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM