JAONA 14.12-14

Momba ny mpino mandrakariva ny Tompo

Miatrika ny asa fanompoana nanirahan’i Jesoa Kristy azy ny Fiangonana.Tsy miasa irery anefa amin’izany fa momba mandrakariva ny Tompo . Niakatra ho any amin’Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy , saingy ny Fanahy Masina no nomeny misolo toerana Azy ao anatin’ny mpino Azy . Ny olona manana ny Fanahy masina manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina dia mahavita asa lehibe tokoa ho fanomezana voninahitra an’Andriamanitra .Mazava araka izany fa mitana ny Teniny ny Tompo . Na dia niakatra ho any an-danitra aza i jesoa Kristy dia ny Fanahy Masina no momba ny mpianatra amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara napetraka ho adidin’ny mpino .

2-Mamaly vavaka mandrakariva ny Tompo

Sarotra ny asa fanompoana napetraka hotanterahin’ny Fiangonana.Hitaona olona ho an’Andriamanitra , handray ny famonjena.Tsy mitazam-potsiny ilay ratsy fa miezaka mamingana. Manoloana izany dia manome toky i Jesoa Kristy fa noho ny amin ‘ny asa ho fankalazana an’Andriamanitra dia afaka mivavaka , mangataka amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy izy ireo ,mametraka Aminy ny asa tanterahiny .Noho ny asan’Andriamanitra dia azo antoka ny valimbavaka. Mitana ny teniny hatrany Izy . Noho izany , ankino amin’Andriamanitra mandrakariva ny asa fanompoana nifidianany anao .

Fanontaniana:

Nahoana no misy olona mitsoaka an-daharana amin’ny asa fanompoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM