Matio 6. 5-8
Ny toe-panahy andraisana valim-bavaka
1- Manana fanetrentena
Manana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny jiosy ny vavaka, mivavaka in-telo isan’andro izy ireo raha kely indrindra. Misy anefa ireo olona manao izany ho fombafomba sy fisehosehoana fotsiny ka manatanteraka izany any amin‘ny synagoga, eny an-joron-dalana toa te-haneho amin‘ny olona mitazana fa izy ireny no tena mpivavaka. Ny toetrany anefa tsy mifanaraka amin‘izany, mpihatsaravelatsihy hoy i Jesoa Kristy.
Mampianatra i Jesoa fa fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny vavaka mitokana, noho izany mitokàna any amin‘efi-trano ianao rehefa hivavaka. Mahita anao mivavaka, mihaino ka mamaly ny vavaka ataonao Andriamanitra.
2- Mahaiza mivavaka tsotra
Tarihina mba tsy hanaraka ny fanaon’ ny jentilisa ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Ny jentilisa rehefa mivavaka dia manao teny lava mitanisa ny anaran‘ireo andriamanitra ivavahany. Ny mpanaradia ani Jesoa Kristy kosa dia ampianariny mba hivavaka tsotra, tsy manao teny maro. Mahalala ny mahasoa ny olony mivavaka Aminy Andriamanitra, mamaly ny vavaky ny finoana sy ny fo matoky Izy. Mampianatra antsika koa araka izany, mitana ny teny nataony ny Tompo, rehefa mivavaka isika dia ambara tsotra Aminy izay hetahetam-pontsika fa mamaly antsika araka ny haben’ny famindrampony Izy. Tsarovy. fa Izy Ilay Andriamanitra mandinika ny voa sy ny fo.
Fanontaniana :
Tanisao ny toe-panahy tokony hananan’ny olona mivavaka amin Andriamanitra mba hahazoana valim-pitia ;