- Sekoly Alahady
- Tetikasa SA
Ny Sampana Sekoly Alahady (S.A./FJKM ) dia Sampana iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Ny fitsipika mifehy azy dia miainga amin’ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM. Miaraka amin’ny Departemantan’ny Fiangonana izy. Ny asan’ny Sekoly Alahady FJKM dia asa misiona izay miorina amin’ny Baikon’ny Tompo maniraka ny Fiangonana hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28, 18- 20), sy hiandry ary hamahana ny ondrin’i Jesoa (Jao 21, 15- 17).
Zava-kendreny
Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Tenisoa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa.
Biraon’ny Sampana SA Filadelfia Meaux
Filoha: RANDRIAMAHEFA Mialy
Mpitantsoratra: RAZAFINJATOVO Vero
Mpitahiry vola: NY HERIARIVONY Mahefasoa
Mpitantsoratra vola: ANDRIAMBOLASEHENO Ramaniriarisoa
Fandaharam-potoana samihafa
Fianarana SA : Ora iray alohan’ny fotoam-pivavahana isan’alahady
Hetsika Seho samihafa

Tetiandro SA
Ireto ny tetiandron’ny SA mandritra ity taona 2018 ity.
Fanadinana SA: Alahady 10 jona
Fitsangatsangana SA: Sabotsy 30 jona
Fidirana taompianarana SA: Alahady 2 septambra
Hisy fanolorana mari-pankasitrahana
Fitondrana ambavaka ny taompianaranabotsy 30 jona
Desambra Iray volan’n SA: Alahady 2 des. – Alahady 30 des
Hisy hetsika fanaovana sakafo isan’Alahady.
Hanasana ny fandraisan’anjaran’ny Fiangonana
Krismasy SA: Alahady 9 desambra
Fety sy fankalazana samihafa
Fetin’ny reny : Alahady 27 may
Fetin’ny ray : Alahady 12 jona
Fotoan-dehibe Fiangonana : Alahady 23 jona
SA Foibe FJKM : Alahady 09 desambra