Mihainoa ny Tenin’ ny  Tompo 

Jeremia 2.4-13

Ny olona  tsy  mihaino   an’ Andriamanitra

1-Manadino  ny famonjen’ Andriamanitra

Ahariharin’i Jeremia eto ny toetra  nananan’ny Zanak’Israely . Ilay  firenena nanehoan’ Andriamanitra   fitiavana manokana  , nokarakarainy fatratra  kanjo  niova tanteraka.  Niodina  nandà  Ilay  Andriamanitra  efa naneho  famonjena  raha  nanafaka  azy  ireo  tany  amin’ny tany Kanana , tany nahitany  ny tena fiainana . Tsy  nihaino  an’Andriamanitra izy  ireo   fa ny  fanompoan-tsampy  no nomeny toerana  . Rehefa  tsy  manokana fotoana hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra  ny  olona  dia latsaka  amin’ny fandrik’i satana.

2-Tsy  mahita  fitahiana

Ny sokajin’olona  rehetra  teo  amin’Israely no nivadika  tamin’ Andriamanitra  . Isan’izany  ireo  tomponandraikitra ara-pivavahana  izay  tokony   hitaiza  sy  hitarika  ny  vahoaka  amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra . Nandao  tanteraka  an’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Niaina  tamin’ny faharatsiana lalina tokoa. Vokatry  ny fanadinoana an’ Andriamanitra  dia rava ny  fiainany . Tsy  misy fiainam-pitahiana  ho  azy ireo intsony : »efa nahafoy Ahy , loharanon’ aina izy ka nihady  lavaka famorian-drano  ho an’ny tenany , nefa lavaka  mitriatriatra  tsy mahatan-drano « (and13). Na toy inona na toy inona ezaka itondran’ny olona ny fiainany, rehefa tsy miaraka  amin’ Andriamanitra  dia tsy  mahita  fitahiana izy .

Fanontaniana:

Nahoana  no manadino an’ Andriamanitra  ny olona  rehefa milamina ny fiainany  ?