Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Asan’ny Apostoly 13.44-52
Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy
1-Natao ho an’ny olona rehetra
Mitombo hatrany ireo sokajin’olona nihaino ny fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly sy Barnabasy . Tsy ireo Jiosy ihany fa teo ny jentilisa izay tena liana tokoa . Rehefa nahita izany ny Jiosy dia velom-pialonana , nanohitra ary nitady ny fomba rehetra hanakorontanana mba hahatonga fanenjehana ireto mpitory ny Filazantsara . Tsy nampihemotra ny ny mpitory anefa izany fa feno fahasahiana hatrany izy ireo nanambara ny andraikitra nanirahana azy dia ny hitondra fanazavana any amin’ny jentilisa (and47). Tian’ Andriamanitra loatra ianao . Koa maniraka ny mpanompony hitory ny teniny aminao Izy. Mahaiza mihaino ny Tenin’ Andriamanitra.
2-Mitondra fifaliana ho an’izay mandray
Ireo Jiosy tsy nihaino ny Tenin’ Andriamanitra dia feno fialonana sady nikotrika fanakorontanana. Na dia teo aza izany sy ny fanoherana nataon’ireo mpitarika tao amin’ny synagoga dia tsy tana fa nandroso hatrany ny asa fitoriana nataon’i Paoly sy Barnabasy. Niavaka kosa ny fiainan’ireo nihaino sy nandray ny Tenin’Andriamanitra .
« faly izy ka nankalaza ny Tenin’ Andriamanitra , ary voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay izay nino« (and 49). Meteza isika mba hihaino sy handray marina ny Tenin’ Andriamanitra , dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam-pifaliana mandrakariva isika satria azo antoka ny fiainana mandrakizay omen’ny Tompo antsika mpino Azy.
Fanontaniana:
Manana andraikitra ve ianao amin’ny fanohanana ny mpitory ny Filazantsara ? Inona avy izany ?
0 Commentaires