JEREMIA 23.9-24
« Moa misy olona mahafi-tena aao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy i Jehovah .Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy i Jehovah « ( Jer 23.24 )
Eo anatrehany ny zavatra rehetra
1-Manaova ny tsara
Fanambarana ny zavatra ratsy hitan’Andriamanitra teo amin’ny mpanompony no nahatonga Azy hanambara io teny io .Tsy misy mahafi-tena eo anatrehan’Andriamanitra tokoa ny olona rehetra satria mihanjahanja eo imasony avokoa ny ataon’ny olona rehetra. Eny , hatramin’ny ao am-pon’ny olona aza dia hitany avokoa. « …ny olona mijery ny miseho eo ivelany , fa Jehovah kosa mijery ny fo » (1 Sam 16.7) . Ambarany amintsika izany fa na dia miafina aza isika ka tsy hitan’ny olona dia hitan’Andriamanitra hatrany .
2-Hitany izay miseho
Azo ambara ihany koa anefa eto fa hitan’Andriamanitra izay manjo antsika sy iainantsika na dia heverintsika fa tsy mahita antsika anatin’ny fahoriana sy ny fijaliana aza Izy . Eo anatrehany avokoa na ny mahafaly na ny mampitaraina antsika . Andriamanitra tsy azo anafenana Izy , tena mahita sy mahatsapa izay mihatra . Ny olombelona heverintsika fa mpiahy antsika eo amin’ny fiainana no tsy mahatsapa ny zava-manjo antsika , fa Izy kosa mahita ary efa mandray andraikitra sahady .Manasazy izay mpanao ratsy ary mamonjy izay mila famonjena.
Fanontaniana :
Efa mahazo toky tsara ny amin’ny fomban’Andriamanitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM