Vaomiera Fifandraisana sy ny Fampahalalam-Baovao

Mivelatra ny asa sahanin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao VaFiFaB.
Misahana ny asa sy ny fombam-pifandraisana sy ny serasera ary ny fanentanana eto amin’ny Fiangonana anatiny sy ivelany izy .

  • Miandraikitra ny fanatontosana ny Tranonkalan'ny Fiangonana.
  • Miandrakitra ny fifaneraserana amin'ny tambajotra isan-karazany (sosialy ...) .
  • Mandrindra ny asa samihafa nampiandraiketan'ny Fiangonana azy araka ny Fitsipika anatiny .

Mizara sokajy A , B ary D ny vaomiera.

Ireto ny sokajy fototra A :
Mpitarika :
Mpikambana :
ANDRIANAIVOSOA  H. N,
RAKOTOARIVONY Herizo
RASOLOHARIJAONA A. P.
RAFALIMANANA F.
RAVELOMANANTSOA M. Laurence
Ireto ny sokajy B:
Solon-tena iray avy, avy amin'ny :
Birao
Sekoly Alahady
Sampana Tanora Kristiana
Sampana Dorkasy
Sampana Lehilahy Kristiana
Sokajy A
Ireto ny sokajy D:
Ny Mpitandrina, ny Mpitantsoratry ny fiangonana ary ny Mpiandraikitra ny sokajy A sy B

Ireo mpikambana fototra VaFifab

Ampahany amin'ireo Mpikambana Fototra VaFiFaB (Sokajy A)

vafifab

 

Horonantsary manazava ny VaFifab

Ny Alahady 21 Janoary dia nandray fitenenana ny VaFiFaB nanazava ny antom-pisiany sy ny hahafan'ny Sampana sy ny Fiangonana manontolo miara-miasa aminy.
Ny horonantsary fohy dia anisan'ny nampiasaina tamin'izany-

Tetiandro VaFifab

Ny VaFiFaB dia miaramiasa akaiky amin'ny Sampana rehetra sy ny Fiangonana.
Manaraka ny Tetiandro nofaritana ho azy ireo ny VaFiFaB.