2Petera 1. 16-21
Ny mpianatr’i Jesoa Kristy:
1- Manambara ny voninahiny
« Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy » (and. 17). Nilaza ny amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy i Petera eto. Tamin’izany no nampahatsiahivany fa tsy zavatra noforonin’ny saina, na angano fanaon’ny mpampianatra sandoka akory izany. Fa i Petera sy ny mpianatra mihitsy no nahita ny voninahitr’i Jesoa Kristy tamin’ny fiovan-tarchy teny an- tendrombohitra. Araka izany, izay mahafantatra ny voninahitr’i Jesoa Kristy no manambara izany amin’ny hafa ka mampahafantatra azy fa tena ho avy amin’ny voninahiny tokoa i Jesoa Kristy, hitsara ny velona sy ny maty, fa tsy nofinoty sy anganongano akory. Koa aoka hiomana amin’izany ny manan aina rehetra. Vavolombelon’ny laza sy ny nomen’ Andriamanitra Ray an’i Jesoa Kristy ny mpino. voninahitra
2- Manambara ny hasarobidin’ny tenin’Andriamanitra
«Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika…» (and. 19). Ny mpampianatra sandoka dia nihevitra ny tenany ho manana ny Tenin’Andriamanitra kanefa tsy mino ny fiavian’i Jesoa Kristy. Nampahatsiahy anefa i Petera eto fa amin’ny fiverenan’ny Tompo dia hanatriaka Azy mivantana isika, araka ny Soratra Masina. Fanambarana feno sy tanteraka no ambaran’ny Soratra Masina ka mendrika horaisina sy tehırizina amin’ny finoana mba ho fanazavana ny fo sy ny saina. Ny olona mino ny Tenin’Andriamanitra ka manantena ny fiavian’i Jesoa Kristy no manana ny fahazavan’ny teny faminaniana. Ary ny tanjona amin’izany dia tsy fampahafantarana fotsiny ihany, fa monjena ho an’izay rehetra mino. Koa minoa ny Tenin’i Jesoa Kristy, dia hovonjena ianao.
Fanontaniana: Inona ny fomba anehoanao ny mpiantr’i Kristy anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe