I Tantara 28:1-7
Ny olona hanao ny asan’Andriamanitra
1. Andriamanitra no mifidy azy

« Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. » (and. 6). Teny nataon’ny Tompo tamin’i Davida izany raha nikasa ny hanao ny tranon’ny Tompo izy. Faniriana lalina tao am-pon’i Davida ny hanao ny tranon’ny Tompo kanefa tsy neken’ny Tompo izany fa i Solomona zanany no nofidiny hanao izany. Noho izany, tsy izay olona manana faniriana lalina hanao ny asan’Andriamanitra manokana akory dia eken’Andriamanitra avokoa fa izay nofidiny ihany. Ary na dia samy olom-boafidy aza dia mbola avahan’Andriamanitra ihany ny asa ho tanterahin’ny tsirairay, araka izay nifidianany azy. Malalaka amin’ny fifidianana izay tiany hanao ny asany Andriamanitra. Satria olom-boafidy ianao, tanteraho tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny asa nifidianany anao.
2. Mila mitandrina ny didiny
« Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko… » (and. 7)
Efa nofidin’Andriamanitra ho zanany, ho mpanjaka sady hanao ny tranony i Solomona. Satria zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny sy ny fitsipiny eo am-panaovana ny asany fa izany no antoka hampaharitra amin’ny fanaovana ny asa. Noho izany, izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra, araka ny maha- olom-boafidy azy dia taomina hitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Tsy ny sitrapon’ny olom-boafidy akory no anaovany ny asan’Andriamanitra fa araka ny didy sy fitsipik’Ilay nifidy azy. Jesoa Kristy efa nifidy anao hanao ny asany, tiany ianao, ka ataovy amin’ny fankatoavana ny didiny ny asa tanterahinao, fa izany no hampaharitra anao amin’ny fanompoana Azy.
Fanontaniana :
Iza (inona) no mibaiko anao amin’ny fanaovana fanompoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM