Miarahaba anao, ry Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, afaka mifandray sy mifanakalo vaovao amin’izao tranonkalan’ny Fiangonana FJKM Filadelflia izao
Maro no naniry, fa isika izao no velona aina, trà-pamonjena:
“ ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” (EFE 5.16)
Maro ny asa miandry na dia vao fotoana fohy aza no nijoroan’ny Fiangonana izay nametrahan’Andriamanitra antsika. Mitaky finoana sy faharesen-dahatra ary fiaraha-mientana ihany koa anefa; fa hoy ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Soratra Masina:
“… Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra.” (III JAO 4,11).
Hita ao amin’ny takila voalohany fandraisana sy afaka tetezina amin’ny “menu” sy “sous-menu” ny Vaovaom-piangonana, hetsika sy fotoana maro samihafa (fotoam-pivavahana ho avy isan’alahady), Vaovaon’ ny Sampana sy Vaomiera, ny Toriteny sy lahateny, ny Fampianarana sy fandalinam-pinoana sy fitaizana.
Ho hitanao ato koa ny Rafitra ahitana : Ny Fiangonana Fjkm Filadelfia, Ny Fjkm, Ny vondrona miara miasa amin’ny Fjkm. Ao koa ireo Sampana (Sekoly Alahady, STK, Dorkasy, SLK), Vaomiera , ary koa ireo Mpiandraikitra.
Nasiana ny Perikopa hahafahana manaraka ny tetiandro, ary koa Mofonaina raisinao isan’andro avy amin’ny Foibe SA Fjkm.
Misy ireo andian-tsary sy horon-tsary isan-tsokajiny hahitana ny fiainan’ny Fiangonana.
Afaka arahanao eto isan-kerinandro koa ny fotoampivavahana FJKM isan’alahady vokarin’ny FTV-FJKM.
Ny lahatsoratra famaky isan’andro amin’ny teny Frantsay “La Bonne Semence” izay vokarin’ny “Bible et Publication Chrétienne” dia arahinao isan’andro ao amin’ny sokajiny.
Koa mahereza ao amin’ny Tompo,ry Havana. Fa hoy ny Soratra Masina izay teny fanevantsika rahateo hoe:
“…tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitra…” (APOK 3.11b
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Problème d’affichage des publications Facebook. Mise en cache de sauvegarde en cours.
Cliquer pour afficher l’erreur